1 Corinthians 13

1Na dia atao hoe miteny amin’ny fitenin’ireo olona sy ireo anjely aza aho. Fa raha tsy manana fitiavana, dia tonga vy maneno na kipantsona mikarantsam-peo aho. 2Na dia atao hoe manana fanomezan’ny faminaniana ary mahafantatra ireo misitery sy fahalalana rehetra aza aho, ary manana ny finoana rehetra afahana mamindra ireo tendrombohitra. Fa raha tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona aho. 3Na dia atao hoe manome izay rehetra ananako hamahanana ny mahantra aza aho, ary manolotra ny tenako ho dorana. Fa raha tsy manam-pitiavana, dia tsy mahazo na inona na inona aho. [Fanamarihana: Ny ULB sy ny UDB dia samy manana dikan-teny maro, mivaky toy izao hoe: “Homeko mba ho dorana ny tenako.” Ny dikan-teny sasany kosa dia mivaky hoe: “Homeko ny tenako mba ho reharehako.”]

4Ny fitiavana dia mahari-po sady tsara fanahy. Ny fitiavana dia tsy mitsiriritra na mirehareha. Tsy miavona 5na manao izay tsy mahamendrika. Tsy tia tena. Tsy mora tezitra, na mitanisa fahadisoana. 6Tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana. Fa kosa, mifaly amin’ny fahamarinana. 7Ny fitiavana dia mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, matoky zavatra rehetra, ary miharitra ny zavatra rehetra.

8Tsy ho tapitra mandrakizay ny fitiavana. Raha misy faminaniana, dia ho levona ireo. Raha misy fitenenana amin’ny teny tsy fantatra, hitsahatra ireo. Raha misy fahalalana, dia ho levona izany. 9Fa isika dia mahafantatra amin’ny ampahany ary maminany amin’ny ampahany. 10Fa rehefa tonga ilay tena lafatra, dia ho levona izay tsy tanteraka.

11Fony mbola zaza aho, dia niresaka toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Rehefa lehibe aho, dia navelako ny fahazazana. 12Fa ankehitriny isika dia mahita tsy mivantana amin’ny fitaratra, fa rahatrizay dia hifanatri-tava. Ankehitriny aho dia mahafantatra amin’ny ampahany, fa avy eo aho dia hahafantatra tanteraka toy ny nahafantarana ahy tanteraka. Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana rahatrizay, ary ny fitiavana. Fa ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny fitiavana.

13

Copyright information for PltULB